airtel

Sport

06-mai-2024

Fampiraisana hina ny tanora

Raikitra ny « Tournoi Firaisankina » eny Ambohimanarina

Sample post image

Nanomboka ofisialy ny sabotsy 04 mey teo ny « Tourno Firaisankina »

06-mai-2024

hifaninanan’ireo klioba ao Ambohimanarina izay nahatratra 300 izy ireo no handray anjara. Fangatahana avy amin’ireo tanoran’Ambohimanarina io, ka natomboka avy hatrany. Ray mpiahy izany ny depiote Todisoa Andriampandry, izay nampanantena fa hanolotra omby mifahy lehibe iray, « maillots complets », lelavola, amboara,… ho an’ireo mendrika ao anatin’ny fifaninanana. « Ny Tanora no ho avin’ny firenena ka tsy maintsy tsinjovina hatrany », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry izay naneho fa hampiraisana hina ny tanora ihany koa ny fifaninanana. Tonga teny an-toerana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka izy no nandaka ny baolina voalohany na ny « coup d’envoi ». Nandritra io rahateo no naseho ofisialy tamin’ireo tanora izy 4 mianadahy kandida depioten’ny Firaisankina mitondra ny laharana faha-6, ary nisy ny toromarika momba ny làlana hizorana sy ny tetika hiatrehana ny propagandy, ka nisaoran’i Depiote Todisoa mitafotafo an’ity Filoha teo aloha ity. « Manana adidy isika miaraka amin’ny tanora hiray hina satria raha tsy miray hina dia tsy hahatafavoaka baolina. Izay no tsy maintsy halamina hisian’ny firaisankina », hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R

 

 

 


+13

 

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap