airtel

Sport

28-avril-2026

FANATANJAHANTENA

AN-TSEKOLY

Sample post image

Nahavita ny azy ny tao Mandritsara

28-avril-2026

Nahavita ny fanatanjahantena an-tsekoly notanterahiny ny fari-piadidiam-pampianaran'i Mandritsara. Tao Ankiabe Salohy renivohitra no nanaovana izany ho an'ny zone 10 nanomboka ny 22 Aprily lasa teo nifarana ny 23 Aprily. Niatrika ny lalao famaranana ity ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ankiabe Salohy Atoa CROIDYS Armand dit LEDYS sy ireo solontenan'ny DREN ary ireo avy ao amin'ny fari-piadidiam-pampianaran'i Mandritsara. Taranja miisa telo no nifaninanana tamin'izany dia ny baolina Kitra, ny basket-ball, ary ny hazakazaka lavitr'ezaka na ny athlétisme. Ho an'ny taranja baolina Kitra dia ny ZAP Ankiabe Salohy #mAmbony no nibata ny fandresena raha nifanandrina tamin'ny ZAP Pont-Sofia. Ho an'ny taranja basket-ball indray dia ny ZAP Ankiabe Salohy Ambany no nibata ny amboara. Mbola ny ZAP Ankiabe Salohy Ambany ihany koa no nibata fandresena tamin'ny taranja hazakazaka lavitr'ezaka. Ireo ekipa Ireo noho izany no hisolotena ny zone 10 hiatrika ny fanatanjahantena an-tsekoly eo anivon'ny fari-piadidiam-pampianaran'i Mandritsara izay hatao ao Mandritsara renivohitra. Hanomboka ny 4 may ho avy izao no hotanterahina ny lalao fifaninanana.
Pati
Légende : Vonona ny hiatrika ny dingana famaranana ireo ekipa nibata ny fandresena !
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Mangataka ny hanoloana an'i Iran hampidirana an'i Italie

Card image cap
27-avril-2026

Tandindomin-doza ny baolina kitra ao Mahajanga

Card image cap