airtel

Sport

07-août-2026

Kitra

- Fifaninanana afrikanina

Sample post image

CFFA handray ny Lijabatho FC,

07-août-2026

Red Arrows no miandry ny FC Rouge
Tontosa tany Ejipta omaly ny antsapaka nahalalana ireo ekipa hifandona amin'ireo solontena malagasy hiatrika ny fifaninana kaontinantaly amin'ny taranja kitra. Ny CFFA Andoharanofotsy dia hihaona amin'ny Lijabatho FC avy ao Lesotho amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika. Naka mpilalao enina mirahalahy avy ivelan'ny klioba mihitsy moa ny CFFA mba hanatevin-daharana azy hiatrehana ity fifaninana amin'ny sehatra Afrikanina ity. Ny klioba Red Arrows avy ao Zambia kosa no hiandry ny FC Rouge, solontena malagasy amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika. Raha tafita eo ny FC Rouge dia hiatrika ny klioba avy atsy Afrika Atsimo, Kaizer Chiefs amin’ny fihodinana faharoa. Hatao eo anelanelan'ny 4–6 septambra ireo lalao mandroso, ary ny 11–13 septambra 2026 kosa ireo lalao miverina.
Jean D. 

Dans la même rubrique

06-août-2026

Nandresy tamin'ny mokafoy 68-65

Card image cap