airtel

Sport

13-janv-2023

Sport

Federasionan'ny bisikileta Mbola Relaha ihany no Jean Claude

Sample post image

Lany faninenina hitantana ny Federasionan'ny bisikileta i Relaha Jean Claude Fomba fiteny ihany moa ilay hoe lany satria tsy izay no zava-niseho fa tsanga-tanana no nataon' ireo ligy fito avy any amin'ny faritra.

13-janv-2023

Olon'ny tontolon'ny bisikileta raha i Relaha ary efa nandrombaka imbetsaka ny anaran'ny maha tompondaka an'i Madagasikara azy. Mendrika ho filoha iny raha izay lafiny izay. Saingy mipetraka ny tantara ary nanamarika fa ny taona 2002 no efa teo amin'io toerana io izy. Roapolo taona aty aoriana dia io izy mbola eo ihany . Raha miampy bokatra moa ka haninona fa saingy tsy izay satria nandritra izay 20 taona izay dia medaly alimo tamin'ny Lalaon'ny Nosy tatsy La Réunion ihany no azo. Amin'izany indray dia tsy noho ny ezaky ny federasiona fa asan-tanan'Antsirabe. I Dama mantsy dia voavola tao Antsirabe miaraka tamin'ireo mpikatroka sangany toa an-dry Hasina, Johary, Roger sy Herizo. Tena mafy ireo satria nanana ny ampy avy tamin'ilay frantsay Paolo izay mpihazakazaka matihanina ary nitrotro ireto tovolahy ireto izay tena sahirana ny sasany satria mpitarika posy na mpitatitra saribao amin'iny fiakarana mideza avy any Manandaniresaka. Nisongadina ny mpilalao avy aty Antsirabe noho io Vazaha io saingy tsy hay hoe ahoana fa dia nailika i Paolo. Izay angamba ilay hoe ory hava-manana. Ny tombony tamin'ny fitantanan'i Relaha dia ny nanaovana Tour de Mada maromaro ka nahafana nitsirika mpilalao maromaro. Tapitra eo anefa ny Tour de Mada satria nodimandry ilay tompon'ny ketrika dia Françis Ducreux. Tapi-dalan-kaleha i Relaha satria ireo mpanohana dia tsy nahatoky afatsy ity frantsay ity. Ary dia eo indrindra isika izao, ary manahy ny ady tsy ho raikitra amin'ny Lalaon'ny Nosy io .Ny tena marina dia tokony mamorona didy ny minisitera mpiahy mametra ho mandat roa ihany ho an'ireo filoha tsy nahazo vokatra tsara. Any amin'ny Filoha Rajoelina mihitsy angamba no hiantefan'ny fangatahana fa raha ny MJS no andrasana dia ho alina eo ihany ny andro. Ny fandraisana anjara amin'ny Lalaon'ny CJSOI izay efa nekena tao amin'ny filankevitry ny minisitra aza moa tsy vitany. Ireo zatovo latsaky ny 17 taona anefa ny resaka eto. Ireo hifidy rahampitso…
Clément RABARY

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap