Mathias M'madi. Anisan’ireo mpilalao 12 mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny FIBA Afrobasket 2025 Qualifiers izy. Lalao izay hotanterahina eto Antananarivo ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary. Isan'ny andrandraina fatratra ity mpilalao mpamono baolina betsaka indrindra tany amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany sokajy U-18 ity. Ity Afrobasket Qualifiers karakarain'ny FIBA ity dia dingana fahatelo amin’ny fifanintsanana ho an’ny FIBA Afrobasket 2025. Ho an’ny vondrona D, eto Madagasikara no hanatanterahana ireo lalao, ka iray Vondrona amintsika ao anatin'izany i Côte d'Ivoire, Egypte, ary ny Repoblika Centrafricaine. Aorian’ity fifaninanana ity dia ho tafakatra amin’ny FIBA Afrobasket 2025 hatao any Angola amin’ny volana aogositra ireo ekipa 3 voalohany. Mafy ny mpifanandrina fa ambony ny fanantenana ho an'ny Ankoay raha tarafina tamin'ireo lalao fanomanana.
Toky R
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena