airtel

Sport

12-mars-2025

FIBA Champions Cup 3x3

Hanainga anion y Ankoay lahy sy vavy

Sample post image

Hanainga anio alakamisy 12 martsa ho any Bangkok Thaïlande, ny ekipam-pirenena Ankoay

12-mars-2025

lehilahy sy vehivavy amin’ny basketball 3x3 mba handray anjara amin’ny FIBA Champions Cup 3x3 izay hatao ny 14 hatramin’ny 16 martsa 2025 ao amin’ny Central World Square. Avo lenta ity fifaninanana ity izay hanangona ireo tompondakan’ny kaontinanta ka anisan’izany ireo ekipa Ankoay ho an’i Afrika, ny ekipa manana laharana ambony amin’ny FIBA 3x3, ireo nahazo medaly volamena tamin’ny Lalao Olaimpika, ary koa ny ekipan’ny firenena mpampiantrano. Ny 14 martsa izao no hifandona amin’i Serbie laharana voalohany amin’ny filaharan’ny FIBA 3x3 maneran-tany ny ekipa lehilahy tarihin’i Elly Randriamampionona. Mbola hifandona amin’i Autriche ihany ny androtr’io. Ny 15 martsa kosa no hiatrika ny lalao fahatelo amin’i Pays-Bas. Ny Ekipa vehivavy tarihin’i Jaofera Christiane Minaoharisoa kosa dia hifanandrina amin’ny Sinoa ny 14 martsa, ary avy eo hifandona amin’ny Kanadiana. Ny 15 martsa kosa no hifandona amin’ny Alemà amin’ny lalao farany amin’ny vondrona. Fotoana sarobidy ho an’ny Ankoay ahafahana manandratana avo ny voninahitry ny firenena ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe amin’ny basketball 3x3 ity, ka dia mirary fahombiazana ho azy ireo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap