airtel

Sport

14-janv-2022

Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2023 Miandry lalao isam-bondrona avy hatrany ny Barea

Sample post image

Namoaka ny datin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2023 ny Kaonfederasionina Afrikanina ho an’ny taranja baolina kitra (CAF) omaly alakamisy 13 janoary 2021.

14-janv-2022

 Noho ny laharan’ny Barea izay faha-21 aty Afrika, dia tsy isan’ireo firenena manao lalao savaranonando na “tour préliminaire” i Madagasikara, fa tafiditra avy hatrany any amin’ny lalao isam-bondrona, ary izay roa voalohany isam-bondrona moa no tafavoaka handray anjara amin’ny CAN. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa ny 24 voalohany no manao CAN nanomboka teo amin’ny nitondran’I Ahmad CAF raha 16 izany teo aloha. Noho isika tafiditra laharana faharoa no nahatafiditra antsika nanao CAN ny 2019. Ho an’ny lalao savaranonando dia ny 21-29 martsa izao no handeha ny lalao mandroso sy miverina. Ny 1-14 jona kosa no hanatanterahana ny lalao isam-bondrona andro voalohany ka hatramin’ny andro faha efatra. Ny 21 janoary izao no voafaritra fa hanaovana antsapaka momba ny fifanintsanana savaranonando, raha toa ka aorian’ny fahavitan’ny lalao amin’ny volana martsa kosa ny antsapaka mikasika ny lalao isam-bondrona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nafana indray teny amin’ny kianja Ampasaborona Ambohidroa eny Ambohimanarina ny alahady lasa teo,

Card image cap
30-avril-2024

Afaka ny gadran'ny FSBM. Raha ny heno farany mantsy dia efa nofafan'i Claude Azéma

Card image cap
29-avril-2024

Mbola nahazo medaly volafotsy indray i Laura Rasoanaivo tany Le Caire nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny judo.

Card image cap
29-avril-2024

Efa tsy nentina tany amin'ny Lalao Afrikanina dia izao indray tsy lasa any

Card image cap
29-avril-2024

Miova kely indray ireo Ankoay handray anjara amin'ny fiadiana ny tompondaka

Card image cap