airtel

Sport

03-juil-2026

Fifanintsanan’ny FIBA

World Cup 2027 Lavon’i RD 82-62 ny Ankoay, sarotra ny tohiny…

Sample post image

Resin’ny RD Congo tamin’ny isa 62-82

03-juil-2026

ny Ankoay tamin’ny lalao voalohany amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany na ny FIBA World Cup Qatar 2027, tanterahana any Dakar Sénégal. Nitarika hatrany ny mpifanandrina,16-8 tamin’ny fiafaran’ny ampahefa-potoana voalohany), ary vao mainka nitombo ny elanelana talohan’ny fialan-tsasatra (43-15). Na dia niezaka nanenjika aza izy ireo tamin’ny fizaram-potoana faharoa, dia tsy nahavita nanova ny fizotry ny lalao. Ity faharesena voalohany ity dia manasarotra ny dian’ny ekipan’i Mickaël Pivaud ao amin’ny Vondrona B izay tena mafy satria efa tojo faharesena telo isika tamin’ny dingana teo aloha. Tsy maintsy miezaka mamaly ny Ankoay amin’ny lalao hifanandrinana amin’i Senegal (firenena mpampiantrano) amin’ny 4 Jolay amin’ny 9 ora alina, ary hiatrika an’i Côte d’Ivoire amin’ny 5 Jolay amin’ny 6 ora, mba hahafahan’izy ireo mbola mitazona ny herijika ho tafiditra amin’ny fifaninanana.
Toky R

 

Dans la même rubrique