hahazoana ny tapakila hiatrehana ny lalao maneran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra na ny « Mondial 2026 ». Nivoaka nandresy tamin’ny isa 1-0 nanoloana ny Kintana maintin’i Ghana indray mantsy ny Cœlacanthes omaly hariva, raha nampiantrano ny lalao tao Moroni. Baolina tafiditr’i Myziane Maolida. Tsy vao sambany ny fandavoan’i Comores an’i Ghana satria dia ny Cœlacanthes ihany koa raha tsiahivina no nanakana ny dian’i Ghana tany amin’ny CAN farany ny taona 2022 tany Cameroun. Fandresena fanindroany ho azy ireo io taorian’ny nandavoany 4-2 an’i Centrafrique kosa io ho an’ity fifanintsanan’ny Mondial 2026 ity, ka nanamafy ny maha laharana voalohany azy ao amin’ny Vondrona I ahitana antsika Malagasy, Comores, Mali, Ghana, Centrafrique, ary i Tchad. Raha ny filaharana vonjimaika araka izany, dia laharana voalohany i Comores izay manana isa 6, faharoa i Mali manana isa 4 noho izy efa nandresy 3-1 an’i Tchad sy nanao ady sahala tamin’i Centrafrique, fahatelo I Madagasikara izay resin’i Ghana 1-0 ary nanamontsana an’i Tchad 3-0, fahaefatra kosa i manana isa 1 ary farany i Tchad mbola tsy manana isa. Mbola vao lalao roa izay no vita, ary mbola misy 8 ny miandry, ka ny volana jona 2024 indray ny andro fahatelo sy fahaefatra, ka ho an’i Madagasikara dia isan’ny horaisintsika etsy Mahamasina i Comores, izay heverina fa ho tena baolina be, saingy ambony ny fanantenana ho an’ny Malagasy, izay hilalao eto amin’ny taniny, ary tahaka izany ihany koa ny valin’ady amin’ny Ganeanina. Tsara rahateo ny manamarika, fa izay tafavoaka voalohany isaky ny vondrona dia ho tafakatra avy hatrany any amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany, ary ireo laharana faharoa mendrika indrindra kosa dia hanao lalao sakana hiadiana ny tapakila. Azo lazaina araka izany, fa ambony ny herijika ahafahantsika ho tafavoaka ho laharana voalohany ao anatin’io, raha tarafina amin’ny haavo teknika nasehon’ny ekipam-pirenena Malagasy tao anatin’ireo lalao roa voalohany.
Nangonin’i Toky R
Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’
Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,