an’i Centrafrique isika omaly teo amin’ny andro faha-7 amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny « Mondial 2026 » hatao any Etazonia, Meksika, Kanada. Tany amin’ny minitra faha-45, fifanaranan’ny fizaram-potoana voalohany isika tamin’ny alalan’i Warren Caddy rehefa nahazo tolotra tsara dia tsara avy tamin’i El Hadary. Nanampy ny isa kosa i Arnaud tany amin’ny minitra faha-58, rehefa nisy baolina voatsoriakan’i El Hadary izay mbola nanao ny tolotra farany izay matin’i Arnaud. Mpilalao isan’ny nisongadina ary tena nanahirana ny Tcahdianina i El Hadary, mpilalao tanora manana ny hoaviny, izay nampindramin’ny Paris FC amin’i Valenciennes mba hananany fotoana hilalaovana bebe kokoa. Samy niady mafy ny mpilalao rehetra tamin’ny ankampobeny satria tena niasa ihany koa ry Clément Couturier sy ry Rayan Raveloson ary Marco Ilamaharitra tao afovoan-kianja, sady nanampy tamin’ny fiarovana no nanamafy tamin’ny fanafihana. Azo lazaina ho nilamindamina ireo vodilaharantsika fa tany amin’ny 15 minitra faramparany vao tena hita ho nisy fanafihana vitsivitsy nataon’ny mpifanandrina, saingy mbola teo ihany koa ry Rado sy ry Morgan Jean Pierre, Sandro Tremolet, ary Eshan Kari. Ity farany izay manomboka mahazo volon-tany ao anatin’ny Barea izay faharoa izao no voaantso ary tompon-toerana omaly. Azo lazaina ho tao anatin’ny androny ihany koa i Jordan Dupure satria nisy ireo baolina tsy latsaky ny roa saika maty tao anatin’ny folo minitra farany. Azo lazaina ho nanatombo tamin’ny lafiny rehetra ny Barean’i Madagasikara, ary hita ho nirindra ny endri-dalao tamin’ny ankampobeny, na misy ihany aza ireo lesoka mila harenina. I Rado no mpilalaon’ny CHAN tompon-toerana avy hatrany, raha tany amin’ny faha-70 minitra no nampidirina i Lalaina nanolo an’i Marco Ilaimaharitra izay somary voadona. Tany amin’ny faha-80 minitra no nampidirina i Mamisoa nanolo an’i Couturier. Voahaja ny lojika satria raha tsiahivina dia resintsika tamin’ny isa 4-1 ny Centrafricaine tamin’ny lalao mandroso, resintsika 2-0 tamin’ny CHAN farany teo, ary mbola resintsika 2-0 omaly tamin’ny lalao miverin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2026.
FAHAROA VONJIMAIKA…
Ao anatin’ny Vondrona I misy antsika, voatazon’i Tchad 1-1 i Ghana omaly, saingy mbola mitana ny laharana voalohany vonjimaika ny Ganeanina manana isa 16, faharoa isika manana isa 13, fahatelo i Mali manana isa 12, faha-4 i Comores manana isa 12, faha-5 i Centrafrique manana isa 5, ary faha-6 i Tchad manana isa 1,… Ho an’ny lalao faharoa omaly, nomontsanin’i Mali 3-0 i Comores, ka nahatonga ny isany tsy hiova sy nidina ho faha-4, raha niakatra isa 3 kosa ny Malianina. Mety amintsika izany hatreto, ary heverina fa hafana sy stratejika avokoa ireo lalao rehetra. Ny alatsinainy 8 septambra izao no lalao manaraka hifandonantsika amin’i Tchad. Ny voalohany amin’ny Vondrona raha tsiahivina no tafita avy hatrany amin’ny Mondial 2026, raha misy ny lalao sakana samihafa ho an’ireo laharana faharoa tsara indrindra.
Toky R