Madagasikara alina nanoloana ny ekipam-pirenen’i Tchad ho an’ny andro faharoa ao anatin’ny Vondrona I. Tsy dia nisy fiovana ben y 11 voalohany nijoro nanoloana an’i Ghana ankoatra ny nanajanonana an’i Tsiry ho mpiandry toerana sy ny nampijoroana an’i Clément Couturier tao afovoan-kianja. Nanatombo tamin’ny haavo teknika isika, ary voaahaja ny lojika, ka teo amin’ny minitra faha-9 dia efa nokobanin’i Njiva ny harato rehefa nisy ny tolotra tsara dia tsara nalatsak’i Metanire avy any ankavanan’ny kianja, notsenainy tamin’ny lohany. Iray minitra taorian’io anefa dia nahakobana harato ny mpifanandrina saingy « hors jeu ». Betsaka ireo fanafihana tsara dia tsara nentitsika, saingy 1-0 no nentina niala sasatra. Somary natoritory isika tany amin’ny fizaram-potoana faharoa, somary nanindry hatrany ny ekipan’i Tchad, ka tany amin’ny minitra faha-80 isika vao velona tamin’ny alalan’ny fanafihana tsara dia tsara miisa roa, saingy tsy nety nahakobana harato. Voalavaka fanindroany ihany anefa ny mpifanandrina rehefa nisy fanafihana tsara dia tsara nentin’i El Hadary ary nofaranan’i Njiva teo amin’ny minitra faha-84. I El Hadary izay efa tany amin’ny minitra faha-66 no nampidirina, nisolo an’i Dorian, mitovitovy amin’ny tamin’ny lalao voalohany ihany. Mbola fanafihana sy tolotra tsara avy amin’i El Hadary ihany koa no nampidiran’i Lapoussin ny baolina fahatelo, rehefa avy namitaka ny vodilaharana sy nandaka izany izay nahavery tanteraka ny mpiandry harato tany amin’ny minitra faha-91. Efa mahavelom-bolo ny vokatra, ary tsikaritra ho efa mihatsara ny fiarahana ho an’ny ekipam-pirenena na betsaka aza ny lesoka mbola mila harenina. Mbola henjana rahateo ny lalao miandry tahaka ny fifandonana amin’i Mali izay mitana ny laharana voalohany manana isa 4. Na izany aza dia voatazon’i Centrafrique 1-1 izy ireo halina. Ho an’ny Vondrona misy antsika izany, dia mitana ny laharana voalohany hatreto i Mali manana isa 4, faharoa i Comores manana isa 3, fahatelo i Madagasikara manana isa 3, fahaefatra i Ghana manana isa 3, fahaefatra i Centrafrique manana isa 1, ary farany kosa i Tchad izay resy indroa. Tsara ny manamarika, fa tany Maraoka no natao ny lalao omaly noho i Tchad tsy manana kianja ankatoavin’ny FIFA, ka Malagasy maro no nanohana ny ekipam-pirenentsika tany an-toerana omaly.
Toky R
Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’
Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,