Ho vory lanona eny izany ireo ligy 22 manerana ny nosy ary an-kavoriana tsy misy ohatra izao no handinihana ny ho avin'ity taranja ity. Tsy afaka manapaka ny zava-dehibe anefa satria efa lany daty daholo na ny ligy na ireo komity mpanantanteraka. Efa herintaona mahery izao no tapitra ny fotoam-piasanan'ireo mitondra amin'izao fotoana. Noho izany dia tokony hifantoka amin'ny tetiandrom-pifidianana ny resaka. Tsy misy azo hatao fa na dia izany aza dia tokony hofaritana koa ny andraikitry ny Tale Teknika Nasionaly sy ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Raha ny marina dia tokony hojerena manokana izay ho avin’ity vazaha be ity izay efa nisoran-tena ho DTN talohan'ny nanendrena an'i Rado Rasoanaivo. Mba tsy hahavoasazy antsika dia tokony takiana aminy ihany koa ireo diplaoma maha mpanazatra misahana ny ekipam-pirenena an’i Nicolas Dupuis. Tena resabe mantsy hatreto ny niatombohany tamin'ity baolina kitra ity raha niasa tany Yseure izy. Ny vaovao nolazain'ny tompon'andraikitra iray fahiny tao amin'ny Orange Pro League aza dia nilaza hoe mpampianatra fanantanjahatena ingahy Nicolas Dupuis. Fotoana ihany koa izany io any Mantasoa io hiarovany ny tenany. Rehefa tsy ho izay dia aleo miala!
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena