airtel

Sport

24-août-2026

Grand Tourismo

3 tany Malaisie

Sample post image

Nahazo ny laharana fahatelo i Iaro Razanakoto

24-août-2026

Tafiditra voalohany teo am-pandraisan'i Iaro ny familiana, saingy tao anatin'ny fihodinana ,farany, efa segaodra sisa no voasongona noho ny olana mekanika i Iaro Razanakoto tao anatin'ny GT3 na Grand Tourismo 3 tany Malaisie ny faran'ny herinandro teo. Na nisy olana aza tao anatin'ny course de nuit ny sabotsy teo satria nidona tamin'ny porsche anatin'ny Team B-quick izay misy azy ihany ny Audi R8 nentin'i Iaro Razanakoto sy Sandy Kraokaew Stuvik, dia afaka niatrika ny fiaingana ihany omaly, izay teo amin'ny Position 3, ary niady hatramin'ny farany. "Efa fiodinana iray sisa dia tokony niredona ny hiram-pirenena Malagasy tao Malaisie, saingy nisy olana. " Voabahana GT4 taminay "tour" farany dia tonga ry zalahy team "Ferrari sy NSX", kanefa ny kodiarana efa lany. Tokony ho voalohany hatramin'ny farany fa dia amin'ny manaraka marina", hoy i Iaro Razanakoto. Nanohitra mpanamory efa manana traikefa 10 taona sy ny Team Singha nahitana Ferrari sy BSX i Iaro, nefa dia voatazony nandritra ny tour maromaro ny laharana voalohany. Tratry ny angaredon’ireo Team Singha niloko manga roa, izay nampiasa pneu vaovao raha ireo efa tamin'ny "qualification" kosa ny an-dry Iaro, ka lany tanteraka. Sambany nandray anjara tamin'ny sokajy GT3 tany Malaisie izy, saingy nisongadina avy hatrany, nitarika ny laharana voalohany hatramin'ny segondra farany, izay olana teknika no tsy nibatany ny laharana voalohany. "Amin'ny manaraka tsy maintsy ho azontsika", hoy i Iaro Razanakoto nanao fanamby sy nisaotra ireo Malagasy rehetra tonga nanatrika tany an-toerana. Tsiahivina, fa Iaro Razanakoto dia efa nahazo anaram-boninahitra lehibe amin’ny sehatra iraisam-pirenena: tompondakan’i Thaïlande amin’ny GT4 tamin’ny 2023, nahazo ny “Rising Star of Thailand”, ary nandresy tamin’ny hazakazaka tao Sepang International Circuit. Efa nibata fandresena 4, podiums 15, ary anaram-boninahitra 4 hatramin’izao. Malagasy voalohany nahazo fankatoavana FIA amin’ny GT4 ary misongadina any Azia. Nanomboka tamin’ny hazakazaka Super Compact izy, nahazo podiums maromaro niaraka tamin’ny MRA Racing, ary avy eo niditra tao amin’ny Thailand Super Series niaraka tamin’ny Porsche 718 Cayman GT4 RS Clubsport ho an’ny ekipan’ny B-Quik Absolute Racing. Tamin’ny taona 2023, izy sy Chanon Asavasangsidhi dia nandresy tamin’ny Sepang International Circuit ka nahazo ny lohany amin’ny GT4 Championnat de Thaïlande, izay nanamarika azy tamin’ny maha tompondaka ofisialy. Tamin’io taona io ihany no nahazoany ny mari-boninahitra “Rising Star of Thailand”, izay nanamafy ny lazany ho kintana vao misondrotra amin’ny sehatra motorsport any Azia. Niakatra teo amin'ny sokajy GT3, ka laharana fahatelo tamin'ny Thaïlande GT3, nahatafitany hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny GT3 izay hatao any Japon ny 11-13 septambra 2026, raha tsy misy ny fiovana. Midika fa heverina ho efa isan'ireo mpanamory sangany eran-tany i Iaro Razanakoto.
Toky R
SARY : Launch Control Mg
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

ny andiany faha-38

Card image cap