airtel

Sport

31-mai-2023

Sport

Handball- Lalaon'ny Nosy Azo eritreretina ny medaly volamena hoy Zo Rasolofoson

Sample post image

Velom-bolo indray ny handball taorianan'iny fandresena miezinezina teo amin'ny Cadettes sy juniors vehivavy iny.

31-mai-2023

Fandresena izay nampitsiry indray ny fanantenana ny handrobahana ny medaly volanenan'ny Lalaon'ny Nosy raha ny fanehoan-kevitr'i Zo Rasolofoson ilay kapitenin'ny AS St Michel sady zanak'i Guillaume ilay andrarezin'ny handball malagasy. Betsaka tokoa ny fanantenanana ary mieritreritra aza ny tompon'andraikitra ny hampiditra mpilalao efatra amin'ireto zandry kely ireto ary isan'izany i Rasoamazava Volatiana izay voafidy ho mpilalao mendrika indrindra no sady namono baolina betsaka indrindra .Na teo amin'ny cafettes aza dia voafidy ho mpiandry tsatokazo mendrika indrindra i Doadema ary mpilalao mendrika indrindra i Fifaliana Zeomamy Porofo izany fa efa mivoatra ny handball mslagasy izay efa nanomboka fanazarantena in-telo isan-kerinandro ny volona martsa ary mieritreritra hiditra fampivondronana farany eny Vontovorona ny 5 jona izao. Ireo mpilalao tranainy moa no miara-misalahy amin'ity taranja ity ary isan'izany i Namasy Rabenandrasana sy Jean Claude Rakotonirina tany Johannesburg farany teo. Eo amin'ny lehilahy indray dia efa nanomboka iray volana izay ny fanazarantena ary mahavita intelo na in’efatra isan-kerinandro. I Tillo ilay zanak'i Berthin Andriamiharinosy sady efa mpanazatra tany Maorisy no misahana ny fampivondranana ny lehilahy miaraka amin'i Mickaël sy Christian. La Réunion no sonary mafimafy amin'ity taranja ity hoy Tillo fa na izany aza misy azo hatao ihany raha tomombana tsara ny fanomanana sy ny fanohanan'ny mpijery.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap