mpanamory fiara malagasy, rehefa nahazo fanasana manokana hanao andrana sy fitsapana hamily sy hanamory Formule 1 any Dubaï. Ny fanohanana avy amin’ireo mpiara-dia aminy sy ny vokatra mendrika azony nandritra ny dimy taona mahery teo amin’ny sehatry ny Gran Turismo no nitarika azy ho amin’ity dingana lehibe ity. Nandritra ireo fifaninanana tany Azia, Iaro dia efa naneho ny fahaiza-manao sy ny faharetany teo amin’ny familiana fiara, ka nahazoana antoka fa mendrika ny hanandrana sehatra ambony kokoa izy. Ny fiara Jaguar F1, izay efa nitondra an’i Eddie Irvine – tompon-daka lefitra eran-tany in-4 tamin’ny Formula 1 no ho entiny amin’ity fitsapana ity, raha ny fampahafantarana mivoaka. Tsy vitan’ny hoe dingana manan-tantara ho an’i Iaro izany, fa ho an’i Madagasikara manontolo ihany koa. Izy no malagasy voalohany hamily fiara Formula 1 izay irariana tsy ho tapitra eo amin'ny andrana. Mariky ny fandrosoana sy ny fahafahan’ny tanora Malagasy miatrika sehatra iraisam-pirenena. Ny 8 Febroary 2026, hiverina an-tanindrazana izy, ary hisy fitsenana manokana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Amin’izany fotoana izany dia hisy fizarana fanomezana sy fankasitrahana ho azy, ho mariky ny fankasitrahana sy ny reharehan’ny firenena amin’ny zava-bitany.
Toky R