airtel

Sport

04-juin-2026

Inter média 2026

Ho entitra ny fikarakaràna

Sample post image

Ho entitra ny fikarakaràna ny hetsika

04-juin-2026

ara-panatanjahantena ho fampiraisana hina ireo orinasan-tserasera eto amin’ny firenena amin’ity taona ity na ny Inter média 2026, raha ny fampahafantarana sy toromarika nomen’ireo mpikarakara tetsy Ambohidahy omaly. Miditra amin’ny andiany faharoa ankehitriny ny fifaninanana, izay ahitàna taranja miisa 3 azo andraisana anjara dia ny Tsipy kanetibe, Basikety, Baolina kitra. Etsy amin’ny Kianja Barea kosa no hanatontosàna ny lalao rehetra ny tontolo andron’ny sabotsy izao. Izay mpiasa eo anivon’ny haino aman-jery ihany fa tsy mpizatra asa na mpiasa an-tselika na koa mpikarama an’ady no mahazo mandray anjara, hoy ny fanazavàna. Ho entitra ny fanaraha-maso sy fampanarahana fitsipika na dia mbola tsy nahazo fanohanana avy amin’ireo minisitera tomponandraikitra hatreto ny fifaninanana, hoy ihany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

miezinezina ny Ankoay lehilahy

Card image cap
04-juin-2026

ara-kianja, Mahamasina tsy mety milamina…

Card image cap