Nikatona tanteraka ny Sabotsy 22 Aogositra 2026 ny "Jeux de Melaky" andiany faha-37 natao tao Ambatomainty. Tapaka tamin'io ihany koa fa ny Kaominina Tambohorano no hampiantrano ny "Jeux de Melaky" andiany faha-38. Antsalova sy Tambohorano no nifaninana hampiantrano io andiany manaraka io, ka i Tambohorano no lanin'ny maro an'isa. Sambany no hatao amina Kaominina ny "Jeux de Melaky" raha nifandimby nihodina tamin'ireo renivohitry ny Distrika dimy mandrafitra ny Faritra Melaky hatrany izany. Kaominina iray ao anatin'ny Distrikan'i Maintirano i Tambohorano, ary isany nanana delegasiona atleta maro nifaninana nandritra iny "Jeux de Melaky" andiany faha-37 iny. Ny lalao baolina kitra nifandonan'ny ekipan'i Maintirano sy Tambohorano ihany koa no namarana tanteraka ny andiany farany teo. Tamin'ny alalan'ny "tirs au but" 5 noho 4 no nibatan'i Maintirano ny fandresena rehefa nirava ady sahala 2 noho 2 ny ekipa roa tonta. Anisany nivoitra nandritra ny lanonam-pamaranana ny sabotsy teo, ankoatra ny fanolorana amboara, medaly ary loka ho an’ireo mpilalao tamin'ny taranja samihafa sy ekipa izay nandray anjara nandritra ny "Jeux de Melaky" andiany faha-37, ny fanohizana ny fananganana ny "Gymnase" ao Maintirano, sy ny fanamboarana sy fanatsarana ny kianja ao Ambatomainty, izay kasaina hampidirina ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2027.
Jean D.
Fanolorana amboara ho an'ny ekipan'i Maintirano amin'ny baolina kitra