eo amin'ny Amboaran'i Madagasikara baolina kitra. Hotontosaina etsy amin'ny kianja Elgeco Plus izany ny faran'ny herinandro izao. Natao tamin'ny fomba mangarahara ( sambany) omaly ny antsapaka. Niavaka kely ary dia raikitra sahady ny fihaonana eo amin'ny Disciples FC sy ny Ajesaia izay vao nifanena tamin'ny manasa-dalana tamin'ny Grand Tournoi Analamanga teo. Nandresy mazava moa ny Disciples ary dia hanala vela izany ry zareo avy eny Antanikatsaka. Ny baolina teny hiady anefa dia ny fihaonann'ny Fosa Juniors sy ny CFFA. Eo mantsy vao tena fantatra raha nahafeno ny banga navelan'i Tsiry, Jean Yves ary Fabrice ry Franck Rajaonarisamba izay efa nanomana elaela ihany izay. Toy izao ny fandaharam-potoana. Sabotsy 20 janoary 11 ora : AS Fanalamanga # ASA Diana 2 ora : Fosa Juniors # CFFA Andoharanofotsy. Alahady 21 janoary 11 ora : Disciples FC # Ajesaia 2 ora : Elgeco Plus # MAMA FC.
Clément RABARY
Miditra amin’ny kihon-dalana faramparany ny Ligue des champions Eorpeanina,
vonona i Mathias M’Madi ! Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ity tanora mpilalaon’ny Ankoay