airtel

Sport

28-avril-2025

Kitra Espaniola-Coupe du Roi

Norombahan'ny Barça, tsy afa-bela ny Real

Sample post image

Mbola tsy afa-bela tamin'ny FC Barcelone indray ny Real Madrid alina, taorian'ny faharesena 5-2

28-avril-2025

tamin'ny famaranan'ny Supercoupe d'Espagne sy ny 4-0 tao anatin'ny Classico ho an'ny Liga. Nobatain'ny Blaugrana indray ihany koa ny Copa Del Rey na ny amboaran'ny Mpanjaka alina satria mbola resiny 3-2 indray ihany koa ny Merengue. Baolina tena avo lenta sy nampitaintaina hatramin'ny farany, ary efa nampoizina ho mafana sy feno fihenjanana mihoatra ny mahazatra ny fifanandonan'ireto mpifanandrina manan-tantara ireto. NITSEFOTRA NY REAL Ny Real Madrid, izay noresen'i Arsenal tany amin'ny Ligue des champions sy tavela aoriana, elanelan'isa 4 amin'ny Liga manoloana an'i Barça hatreto, dia niezaka hamonjy ny taom-pilalaovany, hibata ny Amboaran'ny Mpanjaka, saingy mbola nitsefotra ihany koa. Na dia nahavita nanatsimbadika ny 1-0 ho 1-2 aza ny Real (Pédri 29', Mbappé 70', Tchoumeni 78'), dia mbola tratra 2-2 rehefa voasahalan'i Ferran Torres (84'), ka voatery niditra fanalam-potoana, rehefa nampiady penalty notsofin'ny mpitsara ho an'ny Barcelone tany amin'ny minitra fanampiny saingy nolavina sy navadika karatra mavo ho an'i Raphinha rehefa nojerena ny VAR (Video Assistant Referees). Tafaverina tamin'ny lalao ny Barça izay nanindry kokoa tamin'ny ankampobeny na hita ho vizana aza i Lamine Ymal isan'ny andrin'ny ekipa, saingy matin'i Jules Koundé tany amin'ny minitra faha-116 ny baolina, nitondra ny fandresena ho azy ireo. Amboara faharoa ho an'ny Barcelone iny taorian'ny Supercoupe, mbola ambony ihany koa ny herijika hibatany ny LaLiga amin'ity, ary mbola ao anatin'ny hazakazaka tanteraka sy voasokajy ho "favori" mety hibata ny Ligue des Champions na ny LDC 2025 izy ireo. Amin'ny alarobia 30 aprily indray dia efa hiatrika ny lalao manasa-dalana mandroso ho an'ny LDC hifandonany amin'ny Inter de Milan ny Barça.
Toky R 

Dans la même rubrique

17-juin-2025

Niala an-daharana amin'ny Draft NBA 2025 dingana fifantenana ireo mpilalao hiditra

Card image cap
16-juin-2025

Na dia efa samy nahatody ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tany

Card image cap