airtel

Sport

06-mai-2024

Kitra Frantsay

Tompondakan’ny Ligue 2 sady tafakatra Ligue 1 ny AJ Auxerre

Sample post image

Herintaona aty aorian’ny nivarinany tao anatin’ny Ligue 2, voahosotra ho tompondakan’ny Ligue 2,

06-mai-2024

ary tafaverina ho ao anatin’ny Ligue 1 ao Frantsa ny AJ Auxerre misy an’ireo mpilalao Malagasy roalahy Rayan Raveloson sy Sony Laiton. Na mbola misy lalao roa aza dia voahosotra ho tompondakan’ny Ligue 2 izy ireo taorian’ny fandreseny 2-0 an’i Paris FC ny sabotsy teo. I Rayan Raveloson no angady nanana ny baolina maty faharoa nanamafy ny fandresena satria baolina voatsaingony teo amin’ny minitra faha-57 ka notaritiny ary natolony an’i Ado Onaiwu raha toa ka baolina matin’ilay Malianina Sinayoko (22’) ny baolina voalohany. Tao anatin’ny lalao 36, nahazo fandresena 20 sy ady sahala 10, ary faharesena 6 ny AJ Auxerre. Mitarika amin'ny isa 70 raha toa ka manana isa 64 kosa ny AS Sainte Etienne laharana faharoa izay voatazon’i Guingamp 2-2. Lalao roa sisa dia hifarana ny taom-pilalaovana saingy mitarika lavitra amin’ny baolina maty (+20) izy ireo ka i SCO Angers sy Sainte Etienne izay samy manana isa 64 no mifanenjika mafy hahazo ny tapakila faharoa hiakatra Ligue 1, raha efa mazava ny an’ny Auxerre. Ho an’i Rayan Raveloson, dia isan’ireo mpilalao mamiratra sy andrin’ny ekipa, ary anatin’ireo tsara naoty indrindra. Nahafaty baolina 4 tao anatin’ny taom-pilalaovana, nahavita tolotra na « passe decisive » 5 tao anatin’ny taom-pilalaovana. Mpiandry toerana kosa hatreto i Sony Laiton satria ao anatin’ny heriny tanteraka i Donovan Léon mpiandry harato tompon-toerana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap