airtel

Sport

23-mai-2023

Sport

Kung-Fu WISA – 43 taona Mitohy ny fitetezam-paritra

Sample post image

Mitohy ny fitetezam-paritra ho fankalazana ny faha 43 taona nidiran'ny Kung-Fu voalohany teto Madagasikara ka ny

23-mai-2023

Grand Maître Avoko sy ny delegasionin’ny federasionina malagasin’ny Kung-fu WISA na FMKFW no mitarika izany. Ny zoma teo, hoy ny fampitam-baovao, no fihaonana tamin'ireo mpikatroka Kung-fu tao Ambatolampy, Antanifotsy ary nisy fihaonana tamin'ny talen'ny DRJS tao Antsirabe. Nisy koa fifampidinihina niarahana tamin'ny talen’ny kabinetran’ny kaominin’Antsirabe renivohitra ho fanamafisana ny fanabeazana. Noraisin'ny governoran'ny faritra Antsirabe manokana, Vy Vato Rakotovao moa ireto delegasionan'ny Kung-fu ireto ka namafisina tamin'izany ny fampanarahan-dalana satria saropady ny mitaiza vahoaka marobe toy izao. Ny sabotsy kosa dia anjaran'ny distrikan'i Mandoto no nanao hetsika ho fankalazana ka mpanao Kung-fu 3000 isa mahery no nanao diabe sy fampisehoana tao Ankazomiriotra ary nisy ny fanolorana «Diplôme Fédéral» nataon'ny FMKFW tamin'ireo «Maîtres Kung-fu» nahavita fanadinana. Tao an-tampon-tananan'Antsirabe kosa no namaranana ny fihaonana ny alahady teo ka marobe ny mpanao Kung-Fu tsy tafiditra tao anaty efitrano satria an'arivony koa ireo tonga nanotrona. Nisy hatrany ny fampisehoana Kung-fu sy fanolorana ara-teknika ireo mpikatroka ary fanomezana «Diplôme Fédéral» na mari-pahaizana federaly ho an'ireo afa-panadinana. Nanamafy hatrany ny Grand maître Avoko ny hanarahan'ny mpikatroka rehetra ny fitsipika mifehy ny Kung-fu WISA mba hampiakatra hatrany ny haavo teknika eo amin'ny klioba tsirairay. Nampahatsiahivina hatrany ny fanasàna ny vahoaka rehetra hitsidika ny Pejy Facebook "Mifohaza ry Gasy" fa marobe ny tombotsoa sy fahalalana tsara ho fantatra ao anatin'izany ary mety hanova fiainana sy fisainana ho amin'ny tsaratsara kokoa. Hitohy amin'ny faritra maro moa ity fitetezam-paritra ity mba ho fankalazana izany faha 43 taonan'ny Kung-fu izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap