Lanonan-dehibe ho an'ny federasionin’ny Kung-Fu Wisa sy ny Ligin'Analamanga no natao ka nisy ny fampisehoana teknika na “démonstration’’ nataon'ireo mpikatroka avy ao Analamanga, nisy ihany koa ny fampianarana teknika sy fampianarana "Développement Personnel" nataon'i Grand Maître Avoko izay sady filohan'ny federasionina. Fotoana koa io nanararaotan'ny mpikambana kung-fu Wisa tao Analamanga nifampiarahabana noho ny taona vaovao ho an'ny mpitantana sy ny ray aman-dreny Kung-Fu Wisa ka nisy ny fizarana vatomamy ho an'ny mpanatrika rehetra. Nisy ny jery todika ho an'ny taona lasa izay nahavitan'ny federasionina ny fitetezam-paritra manerana ny nosy ary koa fizarana "Sonorisation Mobile" ho an'ny ligim-paritra tsirairay avy. Ny alahady teo kosa no nanoloran'i Grand Maître Avoko ny solosaina ho an'ny ligin'Analamanga mba hanatsarana ny fomba fiasan'izy ireo ary nanamafy ity filohan'ny federasionina ity fa ho zaraina solosaina toy izao avokoa ny ligim-paritra manerana ny nosy. Vola azo avy amin'ny kitapom-bolan'ny federasionina ihany izany. Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny filoham-boninahitry ny kung-fu Wisa, Sylvain Rabetsaroana. Nanamafy ny Grand Maître Avoko fa hitohy ny fitetezam-paritra ho an'izy ireo ary hamafisina hatrany ny fampiakarana ny haavo teknikan'ny kung-fu Wisa izay efa manana sampana any Eoropa (Frantsa). Nentanina koa ny mpikambana kung-fu Wisa mba handray anjara eo amin'ny raharaham-pirenena amin' ny sehatra rehetra noho ny maha olom-pirenena malagasy azy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Hamoraina ny sidin’ireo malagasy ao Eoropa sy ny manodidina, raha ny fampitam-baovao,
Vaovao mahafaly no voaray avy any Constantine - Alzeria satria dia efa mandray anjara amin'ny fanazaran-tena i Datsiry izay voadona teo amin'ny kitro keliny nandritry ny lalao nifanaovana tamin'i Soudan.
Nizaka ary niaritra ny mafy ireo mpilalaontsika ireo, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,
Miato mandra-pahatapitry ny lalaon’ny nosy aloha ny tompondaka nasionaly 2023 eo amin’ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity.
Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina foana no mivoaka, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja ady totohondry, Herimamy Rabarisoa,