airtel

Sport

04-juin-2026

Lalaon'i Madagasikara #Ouganda

Nofoanana noho ny olana

Sample post image

ara-kianja, Mahamasina tsy mety milamina…

04-juin-2026

Vaovao ratsy ho an'ny fanomanan-tenan'ny Barean'i Madagasikara! Taorian'ny faharesena goavana 4-0 nanoloana an'i Maroc ny takarivan'ny talata teo, nilatsaka ny fanambarana fa foana hatreto ny lalao ara-pirahalahiana faharoa tokony hihaonana amin'i Ouganda. Namoaka filazana ofisialy ny federasionin'ny baolina kitra Malagasy na ny FMF omaly maraina fa, araka ny fampahafantarana voaray avy amin'ny Federasiona Maraokana misahana ny baolina kitra (FRMF) dia nofoanana avokoa ireo lalao rehetra voalahatra ao anatin'ny Morocco Africa Series 2026. Tsy hisy lalao azo hotanterahina intsony mandritra ity volana jona 2026 ity noho ny fepetra fisorohana ara-pahasalamana raha ny toromarika navoakan'ireo manampahefana eo an-toerana. Nofoanana araka izany ny lalao ara-pirahalahiana hifanaovan'i Madagasikara sy Ouganda, izay nokasaina hatao ny 8 jona 2026 ao Marrakech. Fiarovana amin'ny mety hipariahan'ny Ebola no anisan'ny antony, raha ny voalazan'ny filazam-baovao hafa. Foana avokoa ireo lalao nokasaina hatao ao Maroc (Tanzanie#Ouganda, Tanzanie #Rwanda, Madagasikara #Ouganda, Comores#Rwanda). Na izany aza, zava-dehibe ary heverina fa efa niomanana ara-bola sy ara-pandaniana io fihaonana amin'i Ouganda io. Moa ve tsy azo atao ny mitady hevitra toy ny fijerena kianja hafa hanatanterahana ny lalao? Ankoatra izay, taratry ny fahalemen'ny kitra Malagasy ireny faharesena goavana ireny na ekena aza fa lalao ara-pirahalahiana, tsy nahita mangirana isika tato ho ato nanoloana ireo Firenena Afrikanina izay mety ho azo handrefesana ny tanjak'i Madagasikara amin'ny baolina kitra ( Resin'i Ghana 3-0 (24 Martsa 2025) montsan'i Mali 4-1 (12 Oktobra 2025), raha toa ka fandresena 3-1 nanoloana an'i Tchad (8 septambra 2025) no fandresena azo. Midika fa mila fanarenana goavana ary isan'ny hitondran'ny mpitia kitra kiana hatrany ny fitantanana indrindra fa ny FMF. Ny kianja nolazaina fa manara-penitra aza moa mandrak'ity ny androany tsy nahazo fankatoavana ka fahombiazana inona no ho hita amin'izany?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

miezinezina ny Ankoay lehilahy

Card image cap
04-juin-2026

Ho entitra ny fikarakaràna ny hetsika

Card image cap