Fantatra izao fa hatao ny 19 aogositra ao Gaborone renivohitr’I Botwana no hatao ny lalao mandroson’ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika hifandonan'ny Gaborone United sy ny Elgeco Plus. Ho sarotra ho an'ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Roro izany no hiantehitra amin'ireo mpilalaon'ny Elgeco Plus izay tao anaty Barea. Tsy misy Datsiry sy Tony izany aloha ny Barea raha ny lojika satria afaka andro vitsivitsy ny lalao miverina izay mety tafiditra amin'ny fandaharana ny Lalaon'ny Nosy. Izany eo ihany fa raha tsy mahazo an'i Datsiry sy Tony ny Barea dia marina ihany koa ny mifanohitra amin'izay satria tsy hahazo ireo Barea hanantevin-daharana azy ihany koa ny Elgeco Plus. Raha ny firafitr’ireto olon'i Alfred Andriamanampisoa ireto anefa dia maha kely finoana ihany. Raha ny AS Fanalamanga aza moa tsy resiny dia inona no hianteherana? Sady misy an'ireo mpilalao efa nahazo taona toa an'i Zola sy Dino kapiteny! I Onja ilay Adema taloha no mba mety mampitahotra nefa miady irery satria mbola tsy ao raha Elliot ilay mpilalaon'ny Zanakala. Asa aloha fa hatreto dia mbola baraingo ny avin'ity Elgeco Plus ity?
Tsara ny mampahafantatra, fa foana ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana eo amin’ny Barea sy ekipan’I Kenya tokony hatao amin’ny tapak’ity volana ity eny Mahamasina. Anton’io ny fisafidianan’ny Harambee Stars ny fifaninanana “tournoi des clubs de la CAF”.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena