airtel

Sport

09-août-2023

Sport

Lalaon’ny nosy Mampanahy be ihany!

Sample post image

Nifamory ireo federasionina malagasy handray anjara amin'ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina,

09-août-2023

andiany faha-11, hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra 2023, ny alatsinainy 7 aogositra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nanao fitarainana mikasika ny tsy fahatomombanana sy ny fahasarotana amin'ny fanomanana ny fiatrehana izany fifaninanana iraisampirenena izany izy ireo. Na sakafo, na fampiantranoana, na fitaterana na ny fiantohana ara-pahasalamana dia tsy tomombana avokoa ka anaovan'izy ireo fanairana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Etsy an-kilan’ny moa dia nilaza ireo tomponandraikitra sasany teo anivon’ny fitondram-panjakana fa nalaina am-pitaka ny sonian’ireto filoha na solontenana federasionina isanisany ireto. Mbola mitohy kosa izay resaka fitarainan’ireo federasionina izay. Tapa-bolana mialoha isika izao, kanefa io no zava-mitranga! Mampanahy be ihany ny zava-misy ka tokony halamina haingana mba tsy hiteraka fahafaham-baraka eto!!!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap