airtel

Sport

31-janv-2024

Laura Rasoanaivo

Tanjona ny tapakilan’ny lalaon’ny Nosy

Sample post image

Mba ahafahana manomana tsara ny dingana hahazoana ny tapakilan’ny

31-janv-2024

Lalao olaimpika hatao any Paris, dia niazo an’i Lafrantsa i Laura Rasoanaivo, mpanao judo Malagasy. Handray anjara amin’ny « Grand Slam » hatao ny 03 febroary izao, ary hatrika ihany koa ny « Training camp international » karakarain’ny Federasionina Frantsay eo amin’ny taranja judo. Fifaninana maro no miandry ity mpiangaly judo Malagasy ity mialohan’ny lalaon’ny Olaimpika. Handray anjara amin’ny Lalao Afrikanina hatao ny volana martsa iao, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy seniors ny volany aprily. Manantena ny tenany fa manomboka izao mandra-pahatongan’ny fifanaranan’ny fiadiana ny tapakila amin’ny volana jona, dia ho azony izany tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny lalao olaimpika any Paris izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap