airtel

Sport

08-mai-2024

Ligue des Champions

Vita ny amin’i PSG, mbola resin’i Dortmund indray

Sample post image

Tsy afa-bela! Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dàlana indray aloha ny nofinofin’ny Paris Saint-Germain

08-mai-2024

hibata ny amboaran’ny Ligue des Champions voalohany eo amin’ny tantarany. Mbola niondrika teo anatrehan’ny Bouroussia Dortmund indray alina ry Kylian Mbappé raha nieritreritra fa handresy mora fotsiny tao amin’ny Parc des Princes. Ry rainiboto no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Matt Hummels (50’) kapiteny, ary tsy niova tamin’io hatramin’ny farany ny isa. Niezaka nanafika sy nanao izay hamonoana baolina ny PSG, saingy nahomby ihany koa ny fiarovan-tenan’ny alema. Tsy nitodika tamin’ny Frantsay ny vitana satria baolina roa no nidona tamin’ny tsatoby, ary iray tamin’ny tsivalamby. Nanao ny fomba rehetra hamonoana baolina saingy tsy nety tafiditra na totoafo sy nampitaintaina aza ny ankamaroan’ireo baolina nentin-dry Mbappé sy Dembelé. 2-0 izany ny tambatr’isan’ny roa tonta satria efa resy 1-0 ny PSG tany amin’ny Signal Iduna Park. Tsy mety afa-bela satria iray Vondrona izy ireo tamin’ny savaranonando, saingy i Dortmund no nandresy sy nisongadina, ary voalohany teo amin’ny filaharana. Vita hatreo indray aloha izany ny amin’i PSG hibata ny amboara besofina, ka betsaka aza ny mivazivazy hoe : rehefa tsy nahazo tamin’ny andron-dry Neymar sy Messi, ary Di-Maria, dia aleo tsy manantena betsaka. Mbola hijanona amin’ny PSG ve i Mbappé izay andriamanitra kelin’ny klioba sa hikisaka any amin’ny Real de Madrid amin’izay ? Miijanona ho ny Olaimpika de Marseille irery aloha izany hatreto no hany ekipa Frantsay nibata ny Ligue des Champions, izay efa tany amin’ny taona 1993.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap