airtel

Sport

01-sept-2023

Lomano - 50 m "nage libre

Nomontsanin'I Holy Antsa ny zava-bita tsara indrindra

Sample post image

Nonokatra pejy vaovao ho an'ny lomano malagasy i Holy Antsa Rabejaona teo amin'ny 50m Nage Libre

01-sept-2023

Vitany tao anatin'ny 27 segondra sy 35 ampahazatony io teny amin'ny dobo filomanosana teny Vontovorona.Zava-bita tsara indrindra nataon'i Bako Ratsifandrihamanana tany amin'ny Lalao Afrikanina tao Nairobi izay 25.99 io nomontsanin'i Holy Antsa Rabejaona io.Nody ventiny ny rano natsakaina hoy ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izay filohan'ny federasiona Malagasy ny lomano.Isan'ireo nahazo vatsim-pianarana mantsy ity tovovavy ity ary lasa tany amin'ny foibe fiofanana tany Kazan any Rosia.Nahazo fiofanana avo lenta toy izany koa i Jonathan Raharvel ary izy mianadahy ireto miaraka amin'i Tendrinavalona Idealy izany izao no loha-masinina hitarika ny lomano malagasy.
Clément RABARY

 


 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Miditra eo amin'ny fifaninana Afrikanina daholo izao na ny Barea na ireo ekipa roa misolotena antsika dia ny Elgeco

Card image cap
18-juil-2024

Efa any Botswana ny ekipa malagasy hiady ny fiakarana ho Vondrona faha 4 amin'ny Coupe Davis.

Card image cap