airtel

Sport

01-sept-2023

Lomano - 50 m "nage libre

Nomontsanin'I Holy Antsa ny zava-bita tsara indrindra

Sample post image

Nonokatra pejy vaovao ho an'ny lomano malagasy i Holy Antsa Rabejaona teo amin'ny 50m Nage Libre.Vitany tao

01-sept-2023

anatin'ny 27 segondra sy 35 ampahazatony io teny amin'ny dobo filomanosana teny Vontovorona.Zava-bita tsara indrindra nataon'i Bako Ratsifandrihamanana tany amin'ny Lalao Afrikanina tao Nairobi izay 25.99 io nomontsanin'i Holy Antsa Rabejaona io.Nody ventiny ny rano natsakaina hoy ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izay filohan'ny federasiona Malagasy ny lomano.Isan'ireo nahazo vatsim-pianarana mantsy ity tovovavy ity ary lasa tany amin'ny foibe fiofanana tany Kazan any Rosia.Nahazo fiofanana avo lenta toy izany koa i Jonathan Raharvel ary izy mianadahy ireto miaraka amin'i Tendrinavalona Idealy izany izao no loha-masinina hitarika ny lomano malagasy.
Clément RABARY

 

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Na dia efa samy nahatody ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tany

Card image cap
13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap