Vitany tao anatin'ny 2 mn 22 sec 31. Tany amin'ny taona 1985 no nahazo medaly volamena dimy i Bako Ratsifandrihamanana dia Io vitan'i Jonathan Raharvel io indray vao nisy nahazo volamena telo. Ny hitovizana dia samy tao Betongolo izy ireo no nanoman-tena fa nanana tombony i Jonathan niofana tany an-dafy sady nandray Anjara tamin'ity fifaninana avo lenta. Ary izay no tena mahamafy ny filohan'ny federasiona izao, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa raha vao resaka fiofanana izany. Azo tsapain-tanana ny vokatra izao satria saika nivoaka tany ivelany daholo ireo mpilomanana nahatonga ny medaly volafotsy iray azon'i Francky sy ireo alimo enina azon'i Holy Antsa Rabejaona sy ireo namany toa an'i Tendrinavalona sy Tendry. Mahavelom-bolo ny ho avy ny lomano indrindra raha mbola ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa no mitantantana. Fa miankina betsaka amin'ny fahazoana io toerana ao Vontovorona io koa satria afaka ampiasana mandava-taona ity foto-drafitrasa iray ity. "Mba mitovy amin'ny any amin'ny firenena mandroso ny lomano malagasy", hoy ihany izy.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena