airtel

Sport

11-août-2026

LOVA MPANAO VERNIS

Mitondra 10.000 Ar mody isan'andro raha kely

Sample post image

Anisan'ny asa tanana tsotra nefa

11-août-2026

tena niroborobo fatratra ny fanaovana vernis amin'ny tongotra na tanana teto amintsika, herin-taona mahery izao. Eto an-drenivohitra no tena ahitana azy ireny ka misy ireo mahavatra mitety trano mihitsy raha misy koa ireo efa mañana toerana ho azy manokana izay manodidina tsena na faritra be olona amin'ny ankapobeny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'i Lova, tovovavy iray mivelona amin'io asa io dia mitondra 10.000 Ar mody isan'andro izy raha kely. 2000 Ar no hanaovany vernis an'olona iray. Dimy isan'andro eo ho eo ireo mpanjifany raha mihoatra ny 10 izany rehefa faran'ny herinandro. Iray volana teo ho eo no nianarany tamin'ny namany akaiky raha araka ny fanazavany nampiany fikarohana kely, tsy nila saram-pianarana lafobe nandehanana tany an-tsekoly. Mila mahay mikaroka tahaka izany ny tanora hoy izy fa tsy hiandry tolotra ngezabe vao hanao zavatra. Nambarany fa mañana ny mari-pahaizana Bakalorea izy. Tsy nanana fahafahana nampianatra azy intsony ireo Ray aman-dReniny hany ka tsy maintsy nitady hevitra izy. Fanaovana vernis no hiaingako hoy izy fa efa mañana nofinofy hanangana toerana fanaovam-bolo sy fikojakojana endrika aho. Ny 5000 Ar amin'io vola azony isan'andro io ihany mantsy no hampiasainy fa ny 5000 Ar ambiny kosa hampiriminy. Toe-tsaina mila hananan'ireo tanora ankehitriny ny tahaka ny an'i Lova. Ady mantsy ny fiainana ka izay mañana paikady tsara rafitra sy vonon-kandresy ihany no tafavoaka. Ilaina ihany koa ny fahaizana manetry tena sy fananana faharetana mba hahatrarana ny tanjona tiana ho kendrena.
Pati
Légende : Asa mamelona ankohonana maro ny fanaovana vernis tahaka izao !
 

Dans la même rubrique