airtel

Sport

03-sept-2026

MAFANA TRAIL

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Sample post image

Vola 9 700 000 Ar nozaraina tamin’ireo 3 voalohany

03-sept-2026

Fifaninana hazakazaka mitety natiora tany amin’ny Faritra Ma.Fa.Na, distrikan’i Manakara, andiany faha-3 ny hetsika MAFANA TRAIL TRAVERSEE DES VALLÉES taona 2026. Namakivaky kaominina maro ao anatin’ireo faritra ireo, mitety lohasaha, renirano, vohitra sy aty ala....ireo mpandray anjara. Naharitra herinandro maromaro ny fifaninana ka ireo nibata ny laharana voalohany tamin'ireo taranja miisa 3 nifaninana no notolorana loka. Vola mitentina 9.700.000 Ar no natolotry ny tompon'andraikitra tamin'izany. Ho an'ny Trail en Solo mirefy 79Km dia lasan'i Hajanirina ny amboara. Vola mitentina 2 400 000Ar no azony. Ho an'ny sokajy Trail en Relais ho an'ny olona 3 mirefy 79km indray dia lasan'ny ekipan-dRamiandrisoa Fitiavana ny loka. Vola mitentina 2.400.000 Ar no azon'izy ireo. Teo koa ny taranja Mini-trail en Solo mirefy 10.8Km. Lasan-dRazafimahefa Georges ny loka ka vola mitentina 500 000 Ar no azony. Farany ny taranja Trail Hiran-jaza en Solo mirefy 6.5Km izay lasan'i Mifanampiana. Vola 200 000Ar no anjara nomena azy. Natao mba hitaomana ny tanora tsy hidoroka zava-mahadomelina ity hetsika ity raha tsiahivina raha araka ny fanazavan-dRazafimahefa Berthole, ary ho fitaizana ny fahasalamana. Hotanterahina ny 28 Aogositra taona 2027 indray ny andiany faha-4.
Pati
Légende : Izy no Razafimahefa Berthole, mpikarakara !
 

Dans la même rubrique

02-sept-2026

Eny amin'ny CCI Ivato no fotoana ny 10-13 Septambra

Card image cap