Vita ny sonia fifanarahana mandritry ny 3 taona eo amin'ny TSV Eintracht Brunswick, klioba divizionina faharoa eo amin'ny taranja baolina kitra, sy Yann Sturm, tovolahy 21 taona, raha ny fampitam-baovao voaray. Irakiraka mpanafika sady havia no havanana izy io, hoy ny fanazavana. Alemanina ny rainy. Malagasy kosa no reniny. Mirefy 1,84 metatra ary milanja 75 kilao izy. Nahazo fiofanana an-taonany maro tao amin'ny "Centre académie formateur" na toeram-piofanana akademikan'i Freiburg, ao Alemainina, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija