airtel

Sport

03-sept-2025

Masters de Pétanque 2025

Tafita amin’ny « Final four » ny Malagasy

Sample post image

Mitana ny laharana voalohany amin’ny Masters de Pétanque 2025,

03-sept-2025

amin’ny alalan’ny isa 35 i Madagasikara, ka efa azo antoka ny fandraisany anjara amin’ny dingana famaranana « Final Four » izay hotanterahina any La Talaudière ny 8 ka hatramin’ny 10 Septambra. Ahitana an’i Faratiana “Tiana Kely” Rakotoniaina, Faralahy “Baloty” Ramanantiaray, Jean François “Zigle” Rakotondrainibe ary Yves Cédrick Rakotoarisoa ny ekipa Malagasy. Ireo mpilalao ireo dia nitarika hatrany tamin’ny fandresena tamin’ireo dingana telo lehibe: Saint-Gilles Croix-de-Vie, Cluses, ary Nevers, izay nampiakatra ny isa sy ny lazan’ny ekipa Malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’ny dingana farany hatao any Levallois ny 3 sy 4 Septambra, dia hiatrika an’i Italia amin’ny ampahefa-dalana i Madagasikara. Ny Italianina no nandresy an’i Madagasikara tamin’ny isa mavesatra 13 noho 0 tao amin’ny manasa-dàlana tany Romans-sur-Isère, ka hamaly ady izany ny ekipantsika eto. Manantena ny Malagasy rehetra fa ho tafavoaka amin’ity ady ity ny « Barea Pétanque », ary hampiseho indray fa ny fahaiza-manao sy ny fitiavan-tanindrazana dia afaka mandresy na dia amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

nesorin’ny Real Madrid i Alonso

Card image cap