na mpilalao misandratra tao anatin'ny dingana voalohan'ny fifanintsanan'ny Coupe du monde FIBA 2027. Izy no mpilalao basket Malagasy voalohany nahazo an'io na teo aza ireo faharesena miisa 6/6 nahazo ny Ankoay, ka naharaka antsika amin'ny hazakazaka hahazoana ny tapakilan'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Isan'ny nisongadina ny nampidirany isa 22, rebonds 6, tolotra 6 nandritra ny lalaon'i Côte d'Ivoire sy Madagasikara (118-102) na resy aza isika, saingy lalao isan'ny nampientanentana sy nanamarika ny Ankoay. Vao 21 taona, efa tompondaka lefitra taty Afrika ho an'ny U-18 ny taona 2022 ka nahavoahosotra azy ho mpilalao mendrika indrindra na MVP, All-star five tamin'ny Afro-basket U-18, efa nandray anjara tamin'ny tompondaka eran-tany U-19 ny 2023, ka izy no mpamono baolina be indrindra nandritra ny fifaninanana.
Toky R