Raha 7 no isan’ny mpifaninana tamin’ny andiany voalohany, ny taona 2021 dia lasa 5 izany ny faharoa ary ankehitriny dia lasa 25 eo, hoy ny nahazo ny andiany voalohany, Fara Ratsisetraina. Reny manana ny maha izy azy daholo ireo, hoy izy. Ny famoronana, fahalalana ankapobeny, fahaiza-miainan’ny mpifaninana taorian’ny famakafakana ara-piarahamonina natao taminy no isan’ny hitsarana ireo mpifaninana. Ny tena moa tsy isan’ny mpitsara sy mpifantina fa ny fantatra fotsiny dia miisa 300 teo no nofantenina ary dia ireo 25 ireo izany no hamarana azy amin’ny fetin’ny reny amin’ny volana jona. Ho tsaraina indrindra eo izany ny fahaizan-drizareo miatrika hanamarina ny maha reny mendrika azy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende : Ireo tompondaka 2021 sy 2022
Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny
Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,
Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo