Izay eritreritry ny minisitera ihany, hoy izy. Ao amin’ilay minisitera ve anefa mba misy tekinisianina momba ireo taranja miisa 19? 3 sy 4 ihany no fantany raha misy. Tokony hifanatona fa hatramin’izao moa rehefa manatona izahay dia hoe be loatra ity fa ahenao foana! Ny ady totohondry izao misy sokajy miisa 13. Tsy maintsy misy mpisolo toerana 1 avy amin’ireo. Raha vao tsy izay io fa hoe ilay 4, ekena aloha fa hoe 4 no takian’ny iraisampirenena, dia tadidio fa mpampiantrano isika. Tokony hifanaraka isika hoe raha ity kosa no misy maratra tampoka amin’ny fanazarantena dia miakatra ity. Raha 51kg ve ohatra no maratra dia ampidinina haingana ny 61kg, tsy omena hanina mandritry ny firy andro hahatratra ilay 51kg ? Inona no ady vita amin’izany? Efa manao ankamehana isika izao ka noho izany ilay ady gasy, ny zavatra madinidinika tokony hifanarahana ao anatin’ilay federasionina. Aleo izay no dinihina manomboka izao! Anjaran’ny minisitera ny resaka fampitaovana sy fampiantranoana fa eo amin’ilay taktika amin’izay satria na tiantsika na tsia, tsy maintsy ady gasy no atao. 1 volana sisa. Tsy maintsy afangaro amin’ny ady gasy ny fenitra iraisampirenena hahazoana vokatra tsara. Efa miteny foana aho fa tsy maintsy miambozona medaly iray avy ireo sokajy miisa 13 ireo fa mba ampio tosika kely ahazoana ny volafotsy na volamena. Efadahy izao ao marary. Tsy mahazaka loatra ny hatsiaka be eto Antananarivo ny avy any amin’ny faritany. Avy mafana be amin’ny fanazarantena iny ry zalahy no mijanona tonga dia tratry ny gripa eto. Rehefa mankany amin’ny tomponandraikitry ny fahasalamana dia mahazo taratasy hoe vidio fotsiny ireto fanafody ireto. Izao fanomanan-tena izao no ilana ny tohana “vitamine” mba tsy ho tratran’izany. Tsy any amin’ny ady na “combat” vao ho vokisana vitaminina sy kalsioma ireo bandy kely ireo. Namoaka vola am-paosy ireo federasionina ireo nandritry ny fanomanana ka antony hangatahany fanampiana izany hahatsara kokoa ny vokatra. “Sac de sable” na “sac de frappe” iray fotsiny no ato amin’ny ady totohondry izao. Tsy misy “gant” na iray aza fa samy mitondra avy any amin’ny kliobany ihany. Tsy nisy fihetsehany fa mampitaraina hatramin’ny resaka fahazoana vitaminina sy kalsioma. Efa eto foana manoman-tena ao amin’ny ANS izao ny atleta. Tsy misy ny rano ho sotroina. Anontanio ireo atleta isan-taranja ireo fa mampalahelo ny sakafo omena an’ireo. Anontaniana ny mpahandro sakafo dia hoe “ménu” na sakafo avy any amin’ny minisitera mihitsy io ataonay io. Mihinana katsaka na voamanga ny maraina dia izay. Ny anay ato amin’ny ady totohondry moa dia iny mbola ratsy be iny koa ny ringa izay tsy namboarina na efa nangatahana an’izany aza! Io irery anefa no hanaovana fifaninanana ho an’ny ady totohondry sy Kick Boxing. Aiza izany no hanaovana fanazarantena rehefa tonga ireo vahiny ireo, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy