airtel

Sport

16-juil-2026

Mondial 2026,

faharesen’ny Les Bleus Tsy levon’ny frantsay,

Sample post image

hiala i Didier Deschamps

16-juil-2026

Nangidy ho an'ny Frantsay ny faharesena 2-0 nanoloana an'i Espagne ny alin'ny talata teo, tamin'ny lalao manasa-dalan'ny "Mondial 2026". Nofy ratsy satria raha nihevitra fa hanome fanomezana ho an'ny vahoakany amin'ny fandresena ny Les Bleus ny 14 jolay izay fetim-pirenena, dia tsy izay no nitranga. Raikitra indray ny rotaka tamin'ny tanan-dehibe sasany ka anisan'ny nafana tany Paris. "Tanora no mandrafitra azy ary manana ny ho aviny ny ekipa na dia mafy aza iny faharesena iny", hoy ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Raha hiverenana, nanatombo tamin'ny haavo teknika ny Espaniola izay nahafaty baolina telo, fa nolavin'ny mpitsara ny iray. Tsy nahovoka firy kosa ireo lohalaharana isan'ny nantenaina fatratra dia i Mbappé, Dembélé, ary Olise, ary nesorina mihitsy aza ity farany rehefa tsy afa-nikofoka tamin'ireo vodilaharana Espaniola. Nanakiana ny fomba fitsarana ny lalao moa ny mpanazatra Frantsay Didier Deschamps taorian'ny faharesen'ny ekipany ka nilaza hoe: "Tena manana traikefa hitsara lalao manasa-dalan'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ve iny mpitsara iny". Na izany aza, niaiky izy fa rava tanteraka ny ekipa, nanatombo ara-teknika sy natanjaka mpifandrina,... Vokany, nanao veloma tamin’ny fomba ofisialy i Deschamps taorian’ny faharesen’i Frantsa, ka hiala amin’ny toerany amin’ny faran’ny herinandro. Hatramin’ny 2012 moa no nitantanany ny ekipam-pirenena Frantsay. Ny Mondial 2018 tany Rosia no zava-bita lehibe indrindra ho azy, nahazoan’i Frantsa ny amboara lehibe indrindra teo amin’ny baolina kitra. Tamin’ny Euro 2016, tonga hatramin’ny famaranana izy ireo saingy resy resin'i Portugal. Tamin’ny Mondial 2022, tonga hatramin’ny famaranana indray ny Frantsay fa resymin'i Arzantina. Nibata ny Ligue des Nations 2021, ary ny fidirana hatrany amin’ny dingana farany tamin’ny Euro 2024. Raha fintinina, nitarika ny Les Bleus tamin’ny lalao 186 i Deschamps, nahazo fandresena 122, ady sahala 32, ary faharesena 32, manome taham-pahombiazana 65,5%.Taorian’ny faharesena tamin’i Espagne, nilaza izy hoe: “Ny fahadisoanay no antony voalohany, ary avy eo ny kalitaon’ny Espagne. Ny mpilalao dia rava tanteraka.” Notsindriany fa tsy nahatratra ny haavon’ny ekipa ny Frantsay, ary nanamafy fa hiala amin’ny toerany rehefa vita ny “petite finale” amin’ny Sabotsy any Miami. Asa iza indray no handimby azy? Ho ny iray amin'i Thierry Henry sy Zinedine Zidane ?
Toky R
 

Dans la même rubrique