airtel

Sport

07-juil-2026

Mondial 2026

Mamofona politika sy kajy avo lenta

Sample post image

Tsy isalasalana, raha ny hita sahady

07-juil-2026

amin’izao vao hiditra amin’ny ¼-dalana izao, fa ity amboara erantany 2026 eo amin’ny taranja baolina kitra ity no namofona politika indrindra tamin’ireo nandalo rehetra. Na hatramin’ireo mpanao gazety vahiny samihafa isak’ireo firenena mandray anjara ao anatin’ity fifaninanana ara-panatanjahantena goavana indrindra manerantany ity aza miaiky. Teo ny tsy famelàna ny ekipam-pirenena iranianina hijanona tao Etazonia na dia nanana lalao tao an-toerana aza. Tsy misy izay tsy mahalala ny adin’ny iranianina sy i Etazonia miaraka amin’ny israelianina tanatin’ny volana maro izao. Eo ihany koa ny fanafoanana ny karatra mena azon’ilay lohalaharana amerikanina, Folarin Balogun, tamin’ny mpaha 16n-dalana, nihaonan’ny Bekintana tamin’ny ekipam-pirenen’i Bosnia farany teo. Tokony ho voasazy tsy hilalao tamin’ny lalao manaraka anefa ity lohalaharana ity noho ny hitsaka be nanapaka ny felan-tongotry ny mpilalao nifanandrina taminy mihitsy tamin’iny fotoana iny. Voalaza fa taorian’ny fangatahana fanadihadiana natao nandritry ny fifandraisan’ny filoham-pirenena amerikanina, Donald Trump, sy ny filohan’ny FIFA na ny federasionina iraisampirenen’ny baolina kitra, Gianni Infantino, dia nasiam-panovàna ny sazy. Nanapa-kevitra ny FIFA fa hanova ny sazy ho “fampiatoana mihantona” miaraka amin’ny fanaraha-maso herintaona ka afaka milalao indray ity lohalaharana amerikanina ity amin’ny lalao manaraka manoloana an’i Belzika. Naneho fankasitrahana an’io fanapahan-kevitra io i Trump. Lasa sady vazivazy zaritenan’ny mpanao gazety frantsay koa ankehitriny, vokatr’izany, ny hoe mangataka ny fanafoanana ny karatra mavo azon’ilay lohalaharana frantsay, Michael Olise, farany teo koa ny Federasionin’ny baolina kitra frantsay na FFF. Na inona na inona nefa moa adihevitra sy tranga hafa mety mbola hiseho aorian’izao mandritr’ity amboara erantany amin’izao ity dia ny hany mety hanankona fa tsy mifono izay politika avo lenta izay angamba izany sisa ity amboara erantany andiany faha 23 ity dia ny hoe tsy i Etazonia no hahazo an’io amboara erantany io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

nefa mbola tsy menatra mitaky vola…»

Card image cap
09-juil-2026

Mandeha ankehitriny ny fanomanana

Card image cap
07-juil-2026

Misokatra ho an’ny daholobe ny Casa Sport,

Card image cap
07-juil-2026

Mandeha ankehitriny ny fanomananaMandeha ankehitriny ny fanomanana

Card image cap