mangotraka ny Mondial 2026. Efa fantatra ireo ekipa sasany tafita amin’ny ampahavalon-dalana .Tafita i Canada, Brezila, Paraguay, Maroc, Norvezy, Frantsa, Meksika, Angletera. Ekipa goavana efa nihintsana i Alemaina, Pays-Bas, niampy an’i Japana sy Afrika Atsimo, ary RD Congo. Mafana ny fifaninana eo amin’ny famonoam-baolina, mitarika amin’ny isa 6 i Lionel Messi sy Kylian Mbappé, arahin’i Erling Haaland sy Harry Kane samy nahatafiditra 5, ary mbola manakaiky amin’ny isa 4 i Ousmane Dembélé ary Vinícius Júnior. Midika izany fa mangotraka ny fifaninanana amin’ny « Soulier d’Or » eo amin’ireo anarana lehibe. Manome endrika vaovao ho an’ny kaontinanta Afrikanina ity « Mondial 2026 » ity satria tafita tamin’ny 1/16n-dalana ny 9 tamin’ny solontena 10. Talohan’ny lalaon’i Sénégal sy Belgique izay mbola tsy nisy vokatra tamin’ny ora nanoratana, dia mbola misy ekipa dimy miady amin’ny 1/16n-dalana, ary iray efa tafita 1/8 dia i Maroc izay nanilika an’i Pays-Bas. Efa nangoron-damba kosa i Côte d’Ivoire izay lavon’i Norvège 2-1, tahaka izany ihany koa i RD Congo izay nahilik’i Agleterre 2-1 toa io alina, na dia samy nampidi-baolina voalohany aza ireo ekipa Afrikanina roa ireo. Efa nangoron’entana ihany koa i Afrika Atsimo izay resin’i Canada 1-0. Ady mafy ny an’ireo ambiny Cap-Vert≠Arzantina, Ghana ≠ Colombie, i Egypte≠ Australie, ary i Algeria≠Suisse.
Toky R