fa tena betsaka ireo mihevitra fa tokony ry Dax sy ny namany no ampiana Kely an'i Rayan Raveloson, Loïc Lapoussin ary Marco Ilaimaharitra ary Arnaud Randrianantenaina Dia vita sady tsy lany vola. Misy aza ireo olona no mandeha lavitra kokoa dia miteny hoe efa tokony mijanona amin'izay i Nicolas Dupuis fa tokony omena an'i Roro Rakotondrabe amin'izay ny toerana. Raha ny fanambaran'i Vazaha be mantsy, dia tsy hanova ireo mpilalao resin'ny Ghana izy afatsy Rakoul angamba izay tsy takona afenina ny zava-bitany Fa angaha moa i Rakoul irery no nahavita into dingana lehibe iny fa teo i Tsiry i Dax izay indroa voafidy mpilalao mendrika indrindra. Amin'ny saina tsy miangatra diaa efa tompo- toerana ry Berajo sy Nina eny fa Dia Lalaina sy Donga aza Test aleo tokoa vée ireto toto-tanana ireto toy Izzy mpilalao an'ny FC Fleury sy ireo any amin'ny fifaninanana ambany ? Manana DTN nivoaka tao anatin'ny baolina kitra isika dia i Rado Rasoanaivo izany fa mampanotany tena ihany hoe hatraiza ny fahefany amin'ireo mpilalao natolotry i Nicolas Dupuis. Sa ve raha maka ao amin'ny Elatr'i Betafo ny mpanazatra dia hoe avelao ho ao sao manahirana amin'i Clément Rabary? Tsy tokony izay no izy fa izay zatra milalao amin'ny sehatra avo ihany toy ireto zandry kely faran'ny ireto izay tsy mahamenatra ny vitany. Na ny fitondrana aza moa dia hanome azy ireo mari-mpankasitrahana anio eny Iavoloha. Midika izany fa tsara ny vitany.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena