tanora Malagasy misongadina amin’ny hazakazaka fiarakodia any Asia. Tafiditra laharana fahatelo i Iaro sy Sandy tamin’ny « Bangsean Grand Prix Circuit » tany Thailand ny 4–5 Jolay. Io toerana io dia malaza ho sarotra, mitovy amin’i Monaco, ary voalohany tamin’ny fitsapana GT3 ho azy, saingy tafiditra teo amin’ny Podium tamin’ny laharana fahatelo izy ireo, izay nahazoana toerana manan-danja ho an’i Madagasikara satria rehareha foana ny mahita Malagasy misongadina. Nanokatra làlana vaovao indray ho azy amin’ny fahazoany mandray anjara amin’ny fifaninanana lehibe any Japon. Feno ny fepetra hahafahany miatrika ny « Fanatec World Challenge Asia » amin’ny volana Aogositra ho avy izao ao amin’ny Japon F1 International Circuit. Io no dingana lehibe manaraka manaraka ho an’ity mpanamory Malagasy misongadina ity. Tsiahivina, fa i Iaro Razanakoto dia efa nahazo amboara lehibe manan-danja teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tamin’ny taona 2023 no nibatany ny « Super Car GT4 Champion » tao amin’ny Thailand Super Series niaraka tamin’i Chanon Asavasangsidhi. Hatramin’ny naha mpanamory azy, efa manana amboara efatra sy fandresena sivy izy. Efa efa tafiditra Podium 14–20 izy, ka maro tamin’ireo tao amin’ny Chang International Circuit sy Sepang International Circuit. Tamin’ny taona 2021 dia nahazo ny mari-boninahitra 3Rising Star of Thailand3 izy noho ny fahaizany sy ny fandrosoany haingana. Izany rehetra izany no nanokatra varavarana ho azy amin’ny sehatra ambony kokoa toy ny GT3 sy ny fifaninanana iraisam-pirenena, ka fanamby lehibe manaraka ho azy ny Fanatec Word Challenge Asia ».
Toky R