Io iaraha-mahita kosa anefa ny olan’ny Barea ekipa A, izay hiatrika lalao goavana afaka 3 andro. Fotoana fohy mialohan’ny lalao hifanandrinana amin’i Centrafrique no nilaza i Nicolas Dupuis fa hiala tsy ho mpanazatra ny Barea aorian’ny fifanintsanan’ny CAN. Isika izay mitana ny laharana faha-4 farany vonjimaika taorian’ny famerenana ity mpanazatra ity hitantana ny ekipam-pirenena, ary tsy nahitana vokatra firy. Nentina tamin’ny resaka politika rahateo fa tsy teknika, ka toa ny hambom-pon’ny mpitondra manam-pahefana no namerenana an’ity akamakama malaza ho mpiara-mibizina ho eo amin’ny familiana ny Barea indray. Ny CAN 2019 hatrany no tanisaina hanakonana ny tsy fahombiazana 4 taona aty aoriana. Io iaraha-mahita io ny vokatra, ary toa tsy dia toe-tsaina mendrika amin’ny fitantanana ekipam-pirenena mihitsy ny filazana andro vitsy mialohan’ny ady lehibe hatrehina, fa hiala tsy ho mpanazatra na ho inona na ho inona vokatra ho azo eo. Na ny moralin’ny mpilalao aza ve tsy ho simba amin’izany ? Sa sanatria na ilay mpanazatra aza efa tsy mahatoky ny valerany sy tsy manantena vokatra intsony ka ny azy no ataony tonga aloha fa hiala na ho any na tsy ho any? Maninona i Nicolas Dupuis raha vao vita ny lalao faharoa tamin’ity fifanintsanan’ny CAN ity ny jona 2022 dia nametra-pialana mba nahafahana nametraka mpanazatra tena vonona hanarina fa tsy izao vao manao ireny ary efa ela rahateo fa tsy vao izao no nahazoany kiana mivaivay noho ny vokatra azony? Somary sarotra aloha ny làlantsika hahazoana ny tapakilan’ny CAN 2023, saingy mirary soa hatrany ny ekipam-pirenena mba ho afaka hanarina ny lesoka sy handresy amin’ireo lalao farany.
Toky R
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy