airtel

Sport

17-févr-2025

Nicolas Fontaine

Klioba belza ihany no nandrian’ny fony

Sample post image

Taorian’ny tsy fananana klioba hatramin’ny 30 janoary 2025 teo ho an’ilay irakiraka malagasy

17-févr-2025

nilalao tao amin’ny klioba belza, La Louvière, Nicolas Paul Julien Fontaine na Nicolas Fontaine, dia fantatra ankehitriny fa hijanona ao Belzika ihany ity lohalaharana malagasy ity. Ny KSC Lokoren, divizionina faharoa ao an-toerana, no nanasoniavany fifanarahana mandritry ny herintaona. Klioba divizionina voalohany maromaro tao Pologne sy Maraoka moa no voalaza fa liana taminy teo saingy ity klioba belza ity izany no nandrian’ny fony. Mirefy 1,75 metatra moa ny tovolahy ary azo lazaina ho havanana amina toerana samihafa ao aloha ao. Hatreto dia ny toeran’ny lohalaharana sy irakiraka havian’ny kianja no tena niantsorohany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy

Card image cap