airtel

Sport

12-juin-2023

Sport

Orange Pro League Lasa ny Fosa Juniors

Sample post image

Raha tsy misy ny sampona ary mbola sarotra amin'ny Malagasy izany remontada izany dia any amin'ny fsmaranana

12-juin-2023

ny Pro League ny tongotry ny Fosa iray. Resiny omaly tamin'ny isa mavesatra tetsy amin'ny kianja Elgeco ny Ajesaia. Isa 3 noho 1 no nisarahana fa kely foana ny tsy naha 3 noho 0 azy raha tsy matin'i Feno tany amin'ny fanalavan-potoana ny baolina tokana an'ny Ajesaia. Vao maraina be (15) dia matin'i Veve ny baolina. Ny baolina faharoa indray dia misoratra ara-taratasy hoe matin'i Dax (43) saingy ny teny ankianja nahita fa efa maty ny baolina taorian'ny corner nodakan'i Xavier saingy naverin'ny vodilaharana fa noho ny tsy fisian'ilay antsoina hoe goal line moa dia iny matin'i Dax tamin'ny daka mandrivorivo avy eny amin'ny 30m. Tsy nijanona teo anefa ny Fosa fa mbola nahatafiditra ny baolina fahatelo i Andry Max izay mpilalao fahatelo avy tany Antsirabe miaraka amin'i Xavier na Lexa "ontsin'ny" antanana ary ilay mpiandry tsatokazo Fabrice Io isa 3 noho 1 io izany no nisarahana ary entina milaza fa ho sarotra ho an'ny Ajesaia ny lalao miverina any Mahajanga Teo amin'ny lalao manasa-dalana tany Toamasina indray dia nisaraka samy tsy nitoko ny Fanalamanga sy ny COSFA Tsara toerana izany ny miaramila amin'ny lalao miverina. Asa anefa fa malaza mahay antanin'olona ireto Moramanga ireto.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

03-juil-2025

Taorian’ny tranga resaka fikasihan-tanana voalaza ho nataon’ny filohan’ny

Card image cap