Koloina Razafindranaivo na Rakool, satria ity tekinisianina frantsay ity indray manomboka izao no nifanarahan’ny klioba izay ilalaovany ao Alzeria, Mouloudia Club d'Alger, hanazatra an-dry Rakool sy ny namany ao. Efa mpanazatra mpanampy ny teknisianina frantsay malaza, Hervé Renard, niaraka tamina ekipa afrikanina maro ity mpanazatra ity ary farany teo moa izy dia nanazatra ny ekipam-pirenena Ivoarianina. Herintaona sy tapany no faharetan’ny fifanarahan’i Beaumelle amin’ny MCA ary handraisany karama 25.000 Euros isam-bolana izany. Ho avy any an-toerana hiaraka aminy moa ny mpanoman-tena iray sy mpanazatra mpanampy iray, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Inoana, araka izany, fa tombony goavana ho an’I Rakool izao fiaraha-miasa izao hampivoatra ny tekinika sy takitikany.
J. Mirija
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy