airtel

Sport

31-juil-2025

« Pré-saison » an’ny Ligue 1

Manomboka tafiditra i El Hadary ao anatin’ny Paris FC

Sample post image

Azo eritreretina ny hahita mpilalao Malagasy ao anatin’ny fifaninan’ny Ligue 1 any Frantsa

31-juil-2025

amin’ity taom-pilalaovana 2025-2026 ity. Andalana mizotra amin’izany i El Hadary mpilalaon’Antaninkatsaka fahiny. Manomboka mahavelom-bolo ity mpilalao Malagasy 18 taona ity izay nantsoin’ny Paris FC ho ao anatin’ny lalao fanomanana na « pré-saison » hanomanana ny taom-pilalaovana ao anatin’ny Ligue 1. Lalao 2 no vitany hatreto, ka ny iray tamin’ny 26 jolay teo, izay nivoahan’ny Paris FC 3-0 nanoloana an’i Sainte Etienne. Ny faharoa dia ny 29 jolay teo nandavoan’izy ireo 3-1 ny FC Sion klioba anatin’ny divizionina voalohany any Suisse izay nilalaovan’i Rinjala fahiny. Raha elatra ankavia no toerana nahafantarana azy tao anatin’ny ekipam-pirenena Malagasy, dia irakiraka mpanafika na « milieu offensif » no nametrahan’ny mpanazatra azy hatreto ao anatin’ny Paris FC. Tsy tompon-toerana i El Hadary tamin’ireo lalao ireo, saingy nandritra ny lalao faharoa dia nahavita namono baolina iray. Manomboka tafiditra tsara i El Hadary, ka azo heritreretina ny hanomezan’ny Paris FC azy fifanarahana amin’ny maha matihanina na « contrat professionnel » raha ny tombatombana hatreto. Raha hiverenana kely, nanomboka ny novembra 2024 no tonga tao Paris i El Hadary. Nilalao niaraka tamin'ny U19 izy, ny Championnat National U19 mazava ho azy no nisy azy ho an’ny taom-pilalaovana 2024-2025 teo. Lalao 7 no vitany (2 tompon-toerana, 5 tsy tompon-toerana, nahafaty baolina 2. Lalao 2 tao anatin’ny « pré-saison » kosa ho an’ny sokajy « pro » ary io manomboka tafiditra sy maharesy lahatra io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Etsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina

Card image cap