tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Raikitra ny Pro League Sambany handray ny fifaninanana i Port Bergé

Raikitra indray ny Pro League ny faran'ny herinandro izao. Faran'ny herinandro hiavaka satria sambany mba handray fifaninanana i Port Bergé.

08-févr-2023

Sample post image

Ary Fe fifaninanana fotsiny fa tonga dia ny Fosa Juniors izay nanana mpilalao be indrindra tao anatin'ny Barea CHAN. Hiaka-tsehatra ao izany i Dax izay voafidy indroa ho mpilalao mendrika indrindra. Ao koa i Jean Yves, Rado Kely, Naina Avizara ary Donga. Ny tsy fantatra dia ny hoe Mbola mahazo milalao ve i Tsiry sa tonga dia lasan'i Al Ittihad any Libya. Na izany na tsy izany dia ho sarotra amin'ny ASA Nosy Be no handresy ireto Mahajanga ireto. Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina dia ny hoe ho tonga marobe amin'izany ve ny olana hanohana satria miankina amin'izao ny tena ho avin'ity baolina kitra malagasy ity. Aoka tsy ho adino fa matoa miroborobo ny baolina kitra any Eoropa dia noho ireo olona marobe mameno kianja .Raha tonga amin'izay tanjona izay mantsy dia afaka sahady manokana ny ampahany ho an'ny ekipam-pirenena, ary ampahany ihany koa ho an'ireo klioba roa hisolontena antsika any amin'ny fifaninanana afrikanina. Soso-kevitra ihany io fa hanaiky an'izany ve i Tota, izay vao lany ho filohan'ny Pro League sady mbola filohan'ny Ligy Analamanga no ben'ny tanàna an''Andoharanofotsy. Kasikety telo samy nandalo fifidianana (mandat électif) fa dia mety angamba matoa tsy misy manakiana. Avelao ho saintsainina io fa toy izao aloha ny fandaharan-dalao amin'ity faran'ny herinandro ity.
FANDAHARAN-DALAO
Sabotsy 11 febroary
 Kianja Ambohidratrimo 2 ora sy sasany : Tsaramandroso vs COSFA Toamasina
 Barikadimy, 2 ora sy sasany AS Fanalamanga vs Tia Kitra
 Stadium Elgeco Plus 2 ora sy sasany MAMA FC vs JET Kintana.
Alahady 12 febroary
 Kianja Port Bergé, 2 ora sy sasany ASA Nosy Be vs Fosa Juniors
 Kianja Ambohidratrimo, 2 ora sy sasany Ajesaia vs Uscafoot
 Stadium Elgeco Plus 2 ora sy sasany Disciples FC vs Zanakala
 Kianja Maître Kira Toliara, 2 ora sy sasany 3FB vs CFFA.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus