izay nandray anjara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Frantsa lala-tany eo amin'ny sokajy Clio Trophy izay notontosaina ary mitondra ny anarana hoe Rallye Terre des Causses. Tonga laharana fahadimy mantsy i Faniry raha niaraka tamin'i Baptiste Langlois satria tsy afaka noho ny asany ilay mpiaraka taminy dia i Judicaël Rakotomalala. I Mika indray na dia laharana faha 29 aza no nisy azy sy Bastien Pougetson dia nanao fampisehoana ka nahazo ny laharana voalohany nandritry ny ES7 ary mbola fahatelo nandritry ny andiany faha 8. Nilatsaka izany noho ny avy eo satria nisedra fahasimban'ny fiara i Mika fa na izany aza dia mahavelom-bolo ny zava-bitany. Inoana marimarina fa amin'ny Rallye Terre d'Alecia ny volana jona ho avy izao dia haneho ny fahaizany ireto kambana ireto. Tsy nanam-bitana kosa i Axel Rakotomalala ilay Malagasy fahatelo niaraka tamin'i Fontaine, Bastien fa tsy Thomas ilay Barea. Sambany mantsy vao nandray anjara tamin'ity Rallye Terre des Causses ity ka tena nitandrina fatratra. Fa ba izany aza dia mbola nanao hadisoana ihany nandritry ny andiany mialoha ny farany Potika ny fiara saongy tsy naratra na Axel na i Bastien.
Clément RABARY
Mialohan’ny hiatrehan’ny Maky Lahy sy vavy ny fifaninanan’ny AROI 2025 izay hatao eto
Mitohy ary tsy hifarana raha tsy ny faha 22 aprily izao ny fisoratana anarana amin’ny lalao