airtel

Sport

05-oct-2026

Rallye

Tour de Tana

Sample post image

Voalohany tamin’ny sokajy M12 ny

05-oct-2026

ekipazy Tahina-Fifaliana
Ny ekipazy Olivier Ramiandrisoa sy Mahents no nibata ny laharana voalohany ankampobeny ho an’ny « Rallye Tour de Tana » nokarakarain’ny Asatana ny faran’ny herinandro teo. Fred Rabekoto sy Andry Tahina Andrianjafy no nanomboka tsara indrindra tamin’ny alalan’ny fandresena tamin’ny S1 ny zoma teo, saingy tsy naharitra anefa izany satria lasan-dry Olivier avokoa ireo scratch rehetra sisa, ka nahafahan’izy ireo nisongadina sy nandresy tamin’ny elanelana iray minitra teo ho eo raha oharina amin’ireo nanaraka azy. Laharana faharoa kosa i Fred Rabekoto sy Andry Tahina, raha nahavita niakatra teo amin’ny laharana fahatelo ankapobeny i Tahina Razafinjoelina sy Fifaliana Razafinjoelina. Vokatra miavaka izany ho an’ity ekipazy ity satria ankoatra ny toerana fahatelo teo amin’ny « classement général » dia voalohany teo amin’ny sokajy M12 izy ireo, voalohany tamin’ireo « équipage mixte » mitondra fiara kodiaran-droa mpamily sy mpanampy amin’ny fiara « 4 roues motrices », ary nahazo ny amboaran’ny mpanampy mpanamory tanora voalohany ihany koa i Fifalina Razafinjoelina. Mbola i Fifaliana ihany koa no nibata ny laharana voalohany tamin’ny mpanamory Rookie na ireo vao manomboka eo amin’ny tontolon’ny hazakazaka fiakarodia. Mbola misokatra tanteraka ny fifaninanana ho amin’ny anaram-boninahitra nasionaly 2026 alohan’ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Na dia voatery niala tamin’ny hazakazaka aza i Mathieu sy Nathanael taorian’ny ES2, dia mbola nanohy tamin’ny Rallye B izy ireo ka nahazo isa sarobidy, indrindra tamin’ny alalan’ny laharana fahatelo azony tao amin’ny Power Stage. Tao amin’ny sokajy fiara 2 roues motrices, dia i Juan sy Mael no nibahana tanteraka ny fifaninanana. Tafapetrany teo amin’ny laharana fahadimy ankapobeny ny Renault Clio nentiny, raha i Fred sy Dis kosa no nandresy teo amin’ny sokajy T2. Araka ny filaharana ofisialy, i Olivier Ramiandrisoa no nibata ny fandresena teo anoloan’i Frederic Rabekoto sy Andry Tahina Andrianjafy avy amin’ny ASACM. Fahatelo kosa i Tahina Razafinjoelina sy Fifaliana Razafinjoelina, raha laharana fahefatra no azon’i Herman Ratsimbarison sy Koloina. Manoloana izany vokatra izany dia mbola andrasan’ny mpankafy fatratra ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, satria mbola samy manana ny vintany hibata ny anaram-boninahitra ireo mpifaninana lohalaharana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Nifarana teo amin’ny laharana

Card image cap